Joshua 10:25 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy i Josoa taminy: Aza matahotra na mivadi-po; mahereza sy matanjaha; fa toy izao no hataon’NY TOMPO amin’ny fahavalonareo rehetra izay iadianareo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Jôsoe taminy: «Aza matahotra na manam-badi-po fa matanjaha ka mahereza, fa toy izao avokoa no hanaovan’i Iaveh ny fahavalonareo rehetra izay hiadianareo.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary hoy i Josoa tamin’ny mpitari-tafika: –Aza matahotra na mivadi-po! Aoka ho sahy sy hahery ianareo fa tahaka izao no hataon’ny TOMPO amin’ny fahavalo rehetra izay hiadianareo.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy Josoa taminy: Aza matahotra na mivadi-po; mahereza sy matanjaha; fa toy izao no hataon'i Jehovah amin'ny fahavalonareo rehetra izay iadianareo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy i Josoa taminy: Aza matahotra na mivadi-po; mahereza sy matanjaha; fa toy izao no hataon’NY TOMPO amin’ny fahavalonareo rehetra izay iadianareo.
malagasy
Ary hoy Josoa taminy: Aza matahotra na mivadi-po; mahereza sy matanjaha; fa toy izao no hataon'i Jehovah amin'ny fahavalonareo rehetra izay iadianareo.