Joshua 10:27 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tamin’ny filentehan’ny masoandro kosa dia nasain’i Josoa nesorina tamin’ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin’ilay zohy niereny ary nasiana vato lehibe teo amin’ny vavan’ny zohy ka mbola ao izany mandraka androany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony efa ho faty ny masoandro, dia nasain’i Jôsoe nampidirina amin’ilay zohy niereny, ary teo am-bava zohy nasiana vato lehibe mbola ao mandraka androany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’ny filentehan’ny masoandro dia nasain’i Josoa nampidinina ny faty, ka natsipy tao amin’ilay zohy efa nieren’ireo mpanjaka ireo ihany ny fatiny; ary vato vaventy mifanongoa no nanentsenana ny vavazohy, ka mbola ao ireny vato ireny mandraka androany.
Malagasy Bible 1865
Ary tamin'ny nilentehan'ny masoandro dia nasain'i Josoa nesorina tamin'ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin'ilay zohy niereny, ary nasiana vato lehibe teo amin'ny vavan'ny zohy, ka mbola ao izany mandraka androany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tamin’ny filentehan’ny masoandro kosa dia nasain’i Josoa nesorina tamin’ny hazo izy ireo ka nariana tao anatin’ilay zohy niereny ary nasiana vato lehibe teo amin’ny vavan’ny zohy ka mbola ao izany mandraka androany.
malagasy