Joshua 10:28 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Azon’i Josoa koa i Makeda tamin’izany andro izany ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany. Naringany avokoa ny olona rehetra tao ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza. Tahaka izay efa nataony tamin’ny mpanjakan’i Jeriko no nataony tamin’ny mpanjakan’i Makeda koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Afak’i Jôsoe androtr’izay ihany koa i Makedà, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany, ary naringany nataony anatema ny tanàna mbamin’ny manana aina rehetra tao, fa tsy nasiany niangana na dia iray aza, ary tahaka ny nanaovany ny mpanjakan’i Jerikô no nanaovany ny mpanjakan’i Makedà koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Azon’i Josoa tamin’izany andro izany koa ny tanàna Makedà, ka nasainy novonoina tamin’ny sabatra ny mpanjakany sady nasainy naringana avokoa ny olona rehetra tao ka tsy nisy niangana. Tahaka izay nataon’i Josoa tamin’ny mpanjakan’i Jerikao no nataony tamin’ny mpanjakan’i Makedà.
Malagasy Bible 1865
Ary Makeda dia afak'i Josoa tamin'izany andro izany, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany; ary ny olona rehetra tao dia naringany avokoa ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin'ny mpanjakan'i Jeriko, no nataony tamin'ny mpanjakan'i Makeda koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Azon’i Josoa koa i Makeda tamin’izany andro izany ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany. Naringany avokoa ny olona rehetra tao ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza. Tahaka izay efa nataony tamin’ny mpanjakan’i Jeriko no nataony tamin’ny mpanjakan’i Makeda koa.
malagasy
Ary Makeda dia afak'i Josoa tamin'izany andro izany, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany; ary ny olona rehetra tao dia naringany avokoa ka tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin'ny mpanjakan'i Jeriko, no nataony tamin'ny mpanjakan'i Makeda koa.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]