Joshua 10:30 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia natolotry NY TOMPO teo an-tanan’ny Israely koa izy sy ny mpanjakany ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy mbamin’ny olona rehetra tao. Tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin’ny mpanjakan’i Jeriko no nataony tamin’ny mpanjakany koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Natolotr’i Iaveh teo an-tanan’i Israely koa izy sy ny mpanjakany, ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy mbamin’ny manana aina rehetra tao, tsy nasiany niangana na dia iray aza, ary toy ny nanaovany ny mpanjakan’i Jerikô no nanaovany ny mpanjakany koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Natolotry ny TOMPO teo an-tanan’ny Israelita koa ny tanàna; dia novonoin’ireo tamin’ny sabatra ny mpanjakany sy ny olona rehetra tao ka tsy nisy niangana. Tahaka izay nataon’ny Israelita tamin’ny mpanjakan’i Jerikao no nataony tamin’ny mpanjakan’i Libnà.
Malagasy Bible 1865
dia natolotr'i Jehovah teo an-tànan'ny Isiraely koa izy sy ny mpanjakany, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy mbamin'ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; ary tahaka izay efa nataony tamin'ny mpanjakan'i Jeriko no nataony tamin'ny mpanjakany koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia natolotry NY TOMPO teo an-tanan’ny Israely koa izy sy ny mpanjakany ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy mbamin’ny olona rehetra tao. Tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin’ny mpanjakan’i Jeriko no nataony tamin’ny mpanjakany koa.
malagasy