Joshua 10:35 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia azony tamin’izany andro izany koa izy ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra; ary ny olona rehetra tao dia nataony zavatra voaozona tamin’io andro io ihany, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’i Lakisy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Androtr’izay ihany dia afany izy ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra; ny manana aina rehetra tao dia nataony anatema iny andro iny, araka izay rehetra nataony tamin’i Lakisa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Azony androtr’io ihany ny tanàna ka naringany sabatra avokoa ny olona rehetra tao; tahaka izay nataony tamin’i Lakisy ihany izany.
Malagasy Bible 1865
dia afany tamin'izany andro izany koa izy ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra; ary ny olona rehetra tao dia naringany tamin'izany andro izany, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Lakisy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia azony tamin’izany andro izany koa izy ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra; ary ny olona rehetra tao dia nataony zavatra voaozona tamin’io andro io ihany, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’i Lakisy.
malagasy
dia afany tamin'izany andro izany koa izy ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra; ary ny olona rehetra tao dia naringany tamin'izany andro izany, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Lakisy.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]