Joshua 10:37 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia azony koa izy ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao. Tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’i Eglona; nataony zavatra voaozona avokoa izy sy ny olona rehetra tao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony afany dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany ary ny tanàna momba azy rehetra mbamin’izay manana aina rehetra tao, tsy navelany hisy afa-nandositra akory, tahaka ny nanaovan’i Jôsoe an’i Eglôna, fa nataony anatema izy sy ny manana aina rehetra tao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Azony ny tanàna ka novonoiny tamin’ny sabatra ny mpanjakany sy ny olona rehetra tao. Azony koa ireo tanàna rehetra manodidina an’i Hebrôna, ary naringany avokoa ny olona rehetra tao ka tsy nisy niangana; tahaka izay nataony tamin’i Heglôna mihitsy izany.
Malagasy Bible 1865
dia afany koa izy, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Eglona; fa naringany avokoa izy sy ny olona rehetra tao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia azony koa izy ka nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao. Tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin’i Eglona; nataony zavatra voaozona avokoa izy sy ny olona rehetra tao.
malagasy
dia afany koa izy, ka nasiany tamin'ny lelan-tsabatra izy sy ny mpanjakany sy ny tanànany rehetra ary ny olona rehetra tao; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay rehetra efa nataony tamin'i Eglona; fa naringany avokoa izy sy ny olona rehetra tao.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]