Joshua 10:39 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia azony koa izy sy ny mpanjakany ary ny tanànany rehetra; ary nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy ka nataony zavatra voaozona avokoa ny olona rehetra tao. Tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay efa nataony tamin’i Hebrona, dia toy izany koa no nataony tamin’i Debira sy ny mpanjakany, tahaka izay efa nataony tamin’i Libna sy ny mpanjakany koa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Azony izy sy ny mpanjakany ary ny tanàna rehetra momba azy dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra, ary nataony anatema avokoa ny manana aina rehetra tao, fa tsy navelany hisy afa-nandositra akory. Toy ny nanaovan’i Jôsoe an’i Hebrôna sy ny nanaovany an’i Lebnà sy ny mpanjakany, no nanaovany an’i Dabira sy ny mpanjakany koa.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Azony ny tanàna sy ny mpanjakany mbamin’ireo tanàna manodidina an’i Debira. Naringany tamin’ny sabatra ny mponina rehetra tao ka tsy nisy niangana. Tahaka izay nataon’i Josoa tamin’i Hebrôna sy i Libnà mbamin’ny mpanjakany no nataon’i Josoa tamin’i Debira sy ny mpanjakany.
Malagasy Bible 1865
dia azony koa izy sy ny mpanjakany ary ny tanànany rehetra; ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra Izy, ka naringany avokoa ny olona rehetra tao; fa tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin'i Hebrona, dia toy izany koa no nataony tamin'i Debira sy ny mpanjakany, ary tahaka izay efa nataony tamin'i Libna sy ny mpanjakany koa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia azony koa izy sy ny mpanjakany ary ny tanànany rehetra; ary nasiany tamin’ny lelan-tsabatra izy ka nataony zavatra voaozona avokoa ny olona rehetra tao. Tsy nasiany niangana na dia iray akory aza, tahaka izay efa nataony tamin’i Hebrona, dia toy izany koa no nataony tamin’i Debira sy ny mpanjakany, tahaka izay efa nataony tamin’i Libna sy ny mpanjakany koa.
malagasy
dia azony koa izy sy ny mpanjakany ary ny tanànany rehetra; ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra Izy, ka naringany avokoa ny olona rehetra tao; fa tsy nasiany niangana na dia iray akory aza; tahaka izay efa nataony tamin'i Hebrona, dia toy izany koa no nataony tamin'i Debira sy ny mpanjakany, ary tahaka izay efa nataony tamin'i Libna sy ny mpanjakany koa.[Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]