Joshua 10:40 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nasian’i Josoa ny tany rehetra sy ny mpanjakany rehetra, dia ny tany amin’ny havoana, tany Negeva, tany Sefela ary ny tany am-pototry ny tendrombohitra. Tsy nasiany niangana ireny fa nataony zavatra voaozona avokoa ny manam-pofonaina rehetra, araka ny didin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nasian’i Jôsoe avokoa ny tany manontolo, ny tendrombohitra, ny Negeba, ny tany lemaka sy ny tanety, mbamin’ny mpanjakany rehetra; tsy navelany hisy afa-nandositra, fa nataony anatema avokoa rehefa mety ho manana aina koa, araka izay nandidian’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nalain’i Josoa ny tany manontolo; noreseny avokoa ireo mpanjaka rehetra tany an-tendrombohitra sy ny faritra atsimo ary ny teny amin’ny lemak’i Sefelà sy ny kisolosolo, ka tsy nisy niangana; naringany avokoa izay rehetra manana aina, araka ny didy nomen’ny TOMPO Andriamanitr’i Israely.
Malagasy Bible 1865
Dia nasian'i Josoa ny tany rehetra sy ny mpanjakany rehetra, dia ny tany havoana sy ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka ary ny any ambodin'ny tendrombohitra; tsy nasiany niangana ireny, fa naringany avokoa ny olo-miaina rehetra, araka ny didin'i Jehovah. Andriamanitry ny Isiraely,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nasian’i Josoa ny tany rehetra sy ny mpanjakany rehetra, dia ny tany amin’ny havoana, tany Negeva, tany Sefela ary ny tany am-pototry ny tendrombohitra. Tsy nasiany niangana ireny fa nataony zavatra voaozona avokoa ny manam-pofonaina rehetra, araka ny didin’NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely.
malagasy
Dia nasian'i Josoa ny tany rehetra sy ny mpanjakany rehetra, dia ny tany havoana sy ny tany atsimo sy ny tany lemaka amoron-tsiraka ary ny any ambodin'ny tendrombohitra; tsy nasiany niangana ireny, fa naringany avokoa ny olo-miaina rehetra, araka ny didin'i Jehovah. Andriamanitry ny Isiraely, [Heb. Sefela]