Joshua 10:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary nandefa iraka ho any amin’i Josoa teo an-toby tany Gilgala ny mponina tao Gibeona mba hiteny hoe: Aza mampiketraka ny tananao tsy hamonjy ny mpanomponao; miakara haingana ho atỳ aminay ary vonjeo sy ampio izahay fa miangona hamely anay ny mpanjakan’ny Amorita rehetra izay monina any amin’ny tany havoana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Dia naniraka olona ny mponina ao Gabaôna nilaza tamin’i Jôsoe tao an-tobin’i Galgalà hoe: «Aza manohon-tanana tsy manampy ny mpanomponao, fa miakara faingana ho atỳ aminay, afaho izahay, fa nikambana hamely anay ny mpanjakan’ny Amôreana rehetra monina amin’ny tendrombohitra.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandefa iraka ho any amin’i Josoa tany an-tobin’i Gilgala kosa ny Gibehônita ka nanao hoe: –Aza arianao izahay mpanomponao, fa miakara faingana hanampy anay ka afaho izahay! Ireo mpanjaka amôrita rehetra monina any an-tendrombohitra manko dia efa nivondrona hamely anay.
Malagasy Bible 1865
Ary ny mponina tao Gibeona dia naniraka olona ho any amin'i Josoa teo an-toby tany Gilgala hanao hoe: Aza mampiketraka ny tananao tsy hamonjy ny mpanomponao; miakara faingana ho atỳ aminay, ary vonjeo sy ampio izahay; fa miangona hamely anay ny mpanjaka rehetra amin'ny Amorita izay monina any amin'ny tany havoana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary nandefa iraka ho any amin’i Josoa teo an-toby tany Gilgala ny mponina tao Gibeona mba hiteny hoe: Aza mampiketraka ny tananao tsy hamonjy ny mpanomponao; miakara haingana ho atỳ aminay ary vonjeo sy ampio izahay fa miangona hamely anay ny mpanjakan’ny Amorita rehetra izay monina any amin’ny tany havoana.
malagasy