Joshua 11:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa nahare izany i Jabina, mpanjakan’i Hazora, dia nandefa iraka tany amin’i Jobaba, mpanjakan’i Madona, ny mpanjakan’i Simrona, ny mpanjakan’i Aksafa
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nandre izany i Jabìna, mpanjakan’i Asôra, dia nandefa iraka, nankany amin’i Jôbaba mpanjakan’i Madôna, sy amin’ny mpanjakan’i Semerona, sy amin’ny mpanjakan’i Aksafa,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony ren’i Jabîna mpanjakan’i Hatsôra ny fandresen’i Josoa, dia nandefasany iraka i Jôbaba mpanjakan’i Madôna sy ny mpanjakan’i Simrôna ary ny mpanjakan’i Aksafa.
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa nahare Jabina, mpanjakan'i Hazora, dia naniraka tany amin'i Jobaba, mpanjakan'i Madona, sy ny mpanjakan'i Simrona sy ny mpanjakan'i Aksafa,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa nahare izany i Jabina, mpanjakan’i Hazora, dia nandefa iraka tany amin’i Jobaba, mpanjakan’i Madona, ny mpanjakan’i Simrona, ny mpanjakan’i Aksafa
malagasy
[Ny nandresena ny mpanjaka rehetra any Kanana Avaratra, sy ny nahazoan'ny Isiraely ny tany Kanana rehetra] Ary rehefa nahare Jabina, mpanjakan'i Hazora, dia naniraka tany amin'i Jobaba, mpanjakan'i Madona, sy ny mpanjakan'i Simrona sy ny mpanjakan'i Aksafa,