Joshua 11:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izay tanàna rehetra an’ireny mpanjaka ireny sy ny mpanjakany rehetra dia azon’i Josoa ary nasiany tamin’ny lelan-tsabatra ka nataony zavatra voaozona, araka izay nandidian’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Azon’i Jôsoe avokoa ny tanànan’ireny mpanjaka ireny, sy ny mpanjakany; nasiany tamin’ny lelan-tsabatra ireny, dia nataony anatema, araka ny didin’i Môizy, mpanompon’i Iaveh.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nalain’i Josoa koa ny tanànan’ireo mpanjaka hafa rehetra mbamin’ny fanjakany, ka naringany tamin’ny sabatra ireo mpanjaka sy ny mponina rehetra isan-tanàna, araka izay efa nandidian’i Mosesy mpanompon’ny TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary ny tanàna rehetra izay an'ireny mpanjaka ireny sy ny mpanjakany rehetra dia azon'i Josoa ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ka naringany, araka izay efa nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izay tanàna rehetra an’ireny mpanjaka ireny sy ny mpanjakany rehetra dia azon’i Josoa ary nasiany tamin’ny lelan-tsabatra ka nataony zavatra voaozona, araka izay nandidian’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO.
malagasy
Ary ny tanàna rehetra izay an'ireny mpanjaka ireny sy ny mpanjakany rehetra dia azon'i Josoa ary nasiany tamin'ny lelan-tsabatra ka naringany, araka izay efa nandidian'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah. [Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]