Joshua 11:14 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nalain’ny Zanak’Israely ho babony ny fananana rehetra tao amin’ireny tanàna ireny sy ny biby fiompy ary ny olona rehetra dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra mandra-pandringany azy. Tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny zavatra rehetra mety ho babo tamin’ireny, sy ny biby fiompiny dia norobain’ny zanak’i Israely ho azy; fa ny lehilahy rehetra kosa dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra mandra-paharingany, tsy nisy niangana rehefa manana aina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary norobain’ny Israelita ho azy avokoa ny zavatra rehetra tao amin’ireo tanàna an-kavoana ireo mbamin’ny biby fiompy, fa ny olona rehetra ihany no naringany tanteraka tamin’ny sabatra ka tsy nisy niangana.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fananana rehetra tao amin'ireny tanàna ireny sy ny biby fiompy dia nalain'ny Zanak'Isiraely ho babony; fa ny olona rehetra nasiany tamin'ny lelan-tsabatra mandra-pandringany azy; tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nalain’ny Zanak’Israely ho babony ny fananana rehetra tao amin’ireny tanàna ireny sy ny biby fiompy ary ny olona rehetra dia nasiany tamin’ny lelan-tsabatra mandra-pandringany azy. Tsy nasiany niangana na dia iray akory aza.
malagasy