Joshua 11:17 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
hatramin’ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seìra ka hatrany Baala-Gada eo amin’ny lohasahan’i Libanona am-pototry ny tendrombohitra Hermona. Ary nosamboriny ny mpanjakany rehetra ka novonoiny ho faty.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
hatramin’ny tendrombohitra mangadihady misondrotra mankany Seira, ka hatrany Baala-Gada, amin’ny lohasahan’i Libàna, ao ambodin’ny tendrombohitra Hermôna; nosamboriny ny mpanjakany rehetra, ka novonoiny sy nataony maty.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Resin’i Josoa ary novonoiny ireo mpanjaka nipetraka teo anelanelan’ilay tendrombohitra ngazana miakatra ho any Sehira ao atsimo sy i Bahala-Gada eo amin’ny lohasahan’i Libano am-pototry ny tendrombohitra Hermôna any avaratra.
Malagasy Bible 1865
hatramin'ny tendrombohitra mangadihady, izay fiakarana no any Seira, ka hatrany Bala-gada eo amin'ny lohasahan'i Libanona am-bodin'ny tendrombohitra Hermona; ary ny mpanjakany rehetra nosamboriny ka novonoiny ho faty.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
hatramin’ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seìra ka hatrany Baala-Gada eo amin’ny lohasahan’i Libanona am-pototry ny tendrombohitra Hermona. Ary nosamboriny ny mpanjakany rehetra ka novonoiny ho faty.
malagasy