Joshua 11:2 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary ireo mpanjaka tany amin’ny havoana any avaratra koa, ny tany amin’ny tany ngazana atsimon’i Kinerota, ny tany Sefela ary ny tany be havoana any Dora andrefana,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
amin’ireo mpanjaka amin’ny tendrombohitra any avaratra sy any amin’ny Arabaha any atsimon’i Kenereta, any amin’ny tany lemaka sy ny havoan’i Dôra any andrefana,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nandefasany iraka ihany koa ireo mpanjaka izay any an-tendrombohitra any avaratra sy ireo mpanjaka tany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna eo atsimon’ny farihin’i Genesareta, ary ireo mpanjaka teny amin’ny lemak’i Sefelà sy teny amoron-tsiraka akaikin’i Dôra ao andrefana.
Malagasy Bible 1865
ary ireo mpanjaka tany amin'ny tany havoana any avaratra koa sy tany amin'ny tani-hay atsimon'i Kinerota sy tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka ary tany amin'ny havoan'i Dora andrefana,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary ireo mpanjaka tany amin’ny havoana any avaratra koa, ny tany amin’ny tany ngazana atsimon’i Kinerota, ny tany Sefela ary ny tany be havoana any Dora andrefana,
malagasy
ary ireo mpanjaka tany amin'ny tany havoana any avaratra koa sy tany amin'ny tani-hay atsimon'i Kinerota sy tany amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka ary tany amin'ny havoan'i Dora andrefana, [Heb. Arabà][Heb. Sefela]