Joshua 11:20 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Fa avy tamin’NY TOMPO no nanamafisan’ireo ny fony hiady amin’ny Israely mba hanaovany azy ho zavatra voaozona ka tsy nisy famindrampo ny amin’ny handringanana azy araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Satria hevitra nokendren’i Iaveh no nanamafisan’ireo vahoaka ireo ny fony, hiady amin’i Israely mba hanaovan’i Iaveh azy ho anatema, ka tsy hanaovany famindram-po aminy fa handringanany azy, araka ny nandidian’i Iaveh an’i Môizy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny TOMPO manko no nahatonga azy ireny ho mafy fo ka hihantsy ady tamin’ny Israelita mba handringanana azy tanteraka tsy misy indrafo, satria tsy maintsy naringana ireny araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Mosesy.
Malagasy Bible 1865
Fa avy tamin'i Jehovah no nanamafian'ireo ny fony hiady amin'ny Isiraely, mba hanaovany azy ho zavatra voaozona, ka tsy nisy famindram-po, handringanana azy araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Fa avy tamin’NY TOMPO no nanamafisan’ireo ny fony hiady amin’ny Israely mba hanaovany azy ho zavatra voaozona ka tsy nisy famindrampo ny amin’ny handringanana azy araka izay nandidian’NY TOMPO an’i Mosesy.
malagasy
Fa avy tamin'i Jehovah no nanamafian'ireo ny fony hiady amin'ny Isiraely, mba hanaovany azy ho zavatra voaozona, ka tsy nisy famindram-po, handringanana azy araka izay efa nandidian'i Jehovah an'i Mosesy.[Heb. herema]