Joshua 11:21 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Mbola nandeha ihany i Josoa tamin’izany andro izany ka namongotra ny Anakita tany amin’ny havoana, dia tany Hebrona, Debira, Anaba, ary tany amin’ny tany be havoana any Joda rehetra, ary tany amin’ny tany be havoana any Israely rehetra. Nataon’i Josoa zavatra voaozona avokoa izy sy ny tanànany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Tamin’izany andro izany ihany koa no nandehanan’i Jôsoe sy nandringanany ny Enakima tany amin’ny Tendrombohitra, tany Hebrôna, tany Dabira ary tany Anaba, tany amin’ny tendrombohitr’i Jodà rehetra sy tany amin’ny tendrombohitr’i Israely rehetra. Nataon’i Jôsoe anatema avokoa ireo mbamin’ny tanànany;
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izany fotoana izany koa i Josoa no nandeha niady tamin’ny Hanakita rehetra izay tany amin’ny faritra be tendrombohitra, dia tany Hebrôna sy Debira ary Hanaba mbamin’ny havoan’i Joda sy i Israely manontolo. Nasain’i Josoa naringana avokoa izy sy ny tanànany
Malagasy Bible 1865
Dia nandeha tamin'izany andro izany Josoa ka namongotra ny Anakita tany amin'ny tany havoana, dia tany Hebrona sy Debira sy Anaba, ary tany amin'ny tany havoan'i Joda rehetra, ary tany amin'ny tany havoan'Isiraely rehetra: naringan 'i Josoa avokoa izy sy ny tanànany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Mbola nandeha ihany i Josoa tamin’izany andro izany ka namongotra ny Anakita tany amin’ny havoana, dia tany Hebrona, Debira, Anaba, ary tany amin’ny tany be havoana any Joda rehetra, ary tany amin’ny tany be havoana any Israely rehetra. Nataon’i Josoa zavatra voaozona avokoa izy sy ny tanànany.
malagasy
Dia nandeha tamin'izany andro izany Josoa ka namongotra ny Anakita tany amin'ny tany havoana, dia tany Hebrona sy Debira sy Anaba, ary tany amin'ny tany havoan'i Joda rehetra, ary tany amin'ny tany havoan'Isiraely rehetra: naringan'i Josoa avokoa izy sy ny tanànany. [Heb. nataony herema; izahao Lev. XXII. 28]