Joshua 11:22 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Tsy nisy tavela tany amin’ny tanin’ny Zanak’Israely ny Anakita; fa tany Gaza sy Gata ary Asdoda ihany no mbola nisy sisa.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka tsy nisy Enakima intsony, teo amin’ny tanin’ny zanak’i Israely; fa tany Gazà sy Geta ary Azota no sisa nisy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka tsy nisy Hanakita tavela intsony teo amin’i Israely, afa-tsy tao Gazà sy Gata ary Asdôda.
Malagasy Bible 1865
Tsy nisy sisa tany amin'ny tanin'ny Zanak'Isiraely ny Anakita; fa tany Gaza sy Gata ary Asdoda ihany no mbola nisy sisa.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Tsy nisy tavela tany amin’ny tanin’ny Zanak’Israely ny Anakita; fa tany Gaza sy Gata ary Asdoda ihany no mbola nisy sisa.
malagasy
Tsy nisy sisa tany amin'ny tanin'ny Zanak'Isiraely ny Anakita; fa tany Gaza sy Gata ary Asdoda ihany no mbola nisy sisa.Dia lasan'i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy; ary nomen'i Josoa ho lovan'ny Isiraely izany, araka ny fizaran'ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.