Joshua 11:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia lasan’i Josoa avokoa ny tany manontolo, araka izay rehetra nolazain’NY TOMPO tamin’i Mosesy; ary nomen’i Josoa ho lovan’ny Israely izany, araka ny fizaran’ny fokony avy. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Azon’i Jôsoe avokoa ny tany rehetra, araka ny voalazan’i Iaveh tamin’i Môizy, ka nomen’i Jôsoe ho lovan’i Israely, natokony araka ny fokony avy. Dia natsahatra tamin’ny ady ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Dia azon’i Josoa avokoa ilay tany, araka izay rehetra efa nambaran’ny TOMPO tamin’i Mosesy; ary nomen’i Josoa ho fananan’ny Israelita izany ka nozarazarainy araka ny fokony avy. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.
Malagasy Bible 1865
Dia lasan'i Josoa avokoa ny tany rehetra, araka izay rehetra nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy; ary nomen'i Josoa ho lovan'ny Isiraely izany, araka ny fizaran'ny fireneny. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia lasan’i Josoa avokoa ny tany manontolo, araka izay rehetra nolazain’NY TOMPO tamin’i Mosesy; ary nomen’i Josoa ho lovan’ny Israely izany, araka ny fizaran’ny fokony avy. Dia nitsahatra ny ady ka nandry ny tany.
malagasy