Joshua 11:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia hoy NY TOMPO tamin’i Josoa: Aza matahotra azy fa rahampitso toy izao Aho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan’ny Israely; traingoy ny soavaliny ary doroy amin’ny afo ny kalesy fitondrany miady.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Aza matahotra an’ireo fa rahampitso toy izao dia hatolotro eo anoloan’i Israely izy ireo, ka hatolotro izy efa voagorobaka avokoa, ka traingoy ny soavaliny, ary dory ny kalesiny.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa hoy ny TOMPO tamin’i Josoa: –Aza matahotra an’ireo ianao; fa rahampitso amin’ny ora toy izao, dia hatolotro ho fatin-dratra eo anatrehan’ny Israelita izy rehetra ireo. Koa traingoy ny soavaliny ary dory amin’ny afo ny kalesiny.
Malagasy Bible 1865
Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan'ny Isiraely; traingoy ny soavaliny, ary dory amin'ny afo ny kalesiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Dia hoy Jehovah tamin'i Josoa: Aza matahotra azy; fa rahampitso toy izao Izaho dia hanolotra azy rehetra ho faty eo anatrehan'ny Isiraely; traingoy ny soavaliny, ary dory amin'ny afo ny kalesiny.