Joshua 11:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary NY TOMPO nanolotra azy ireny teo an-tanan’ny Israely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-Maima ary hatrany amin’ny lohasaha Mizpa atsinanana dia namely azy izy mandra-paha tsy nisy niangana azy na dia iray akory aza.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Natolotr’i Iaveh teo an-tanan’i Israely izy ireo, ka nasiany sy nenjehiny hatrany Sidona lehibe sy hatrany amin’ny lohasahan’i Masfà any atsinanana; nasiany ireny ka tsy navelany hisy afa-nandositra na dia iray aza.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Natolotry ny TOMPO teo an-tanan’ny Israelita ireo ka resiny, nenjehiny nianavaratra hatrany Sidôna tanàn-dehibe sy hatrany Misrefôta-Maîma ary hatrany amin’ny lohasahan’i Mitsepà any atsinanana. Nasian’ny Israelita ireo ka tsy nisy niangana.
Malagasy Bible 1865
Ary Jehovah nanolotra azy teo an-tànan'ny Isiraely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-maima ary hatramin'ny lohasaha Mizpa atsinanana; dia namely azy izy mandra-paha-tsy nisy niangana na dia iray akory aza.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary NY TOMPO nanolotra azy ireny teo an-tanan’ny Israely izay namely azy ka nanenjika azy hatrany Sidona lehibe sy hatrany Misrefota-Maima ary hatrany amin’ny lohasaha Mizpa atsinanana dia namely azy izy mandra-paha tsy nisy niangana azy na dia iray akory aza.
malagasy