Joshua 12:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no mpanjakan’ny tany resin’ny Zanak’Israely ka nobaboiny ny tany, teny andafy atsinanan’i Jordana hatreo amin’ny lohasahan-driaka Arnona ka hatrany amin’ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan’ny tany ngazana:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireto no mpanjakan’ny tany resin’ny zanak’i Israely, ary nalainy ny taniny any an-dafin’i Jordany any atsinanana, hatramin’ny ranon-driakan’i Arnôna ka hatramin’ny tendrombohitra Hermôna, sy ny Arabaha manontolo any atsinanan’ny ony:
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Mpanjaka roa no efa noresen’ny Israelita tany atsinanan’i Jôrdàna ka nobodoiny ny taniny, nanomboka hatreo amin’ny lohasahan-driaka Arnôna ka hatrany amin’ny tendrombohitra Hermôna, ary mahafaoka ny lohasahan’i Jôrdàna ilany atsinanana.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no mpanjakan'ny tany izay resin'ny Zanak'Isiraely, ka lasany ny taniny, teny an-dafy atsinanan'i Jordana hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan'ny tani-hay
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no mpanjakan’ny tany resin’ny Zanak’Israely ka nobaboiny ny tany, teny andafy atsinanan’i Jordana hatreo amin’ny lohasahan-driaka Arnona ka hatrany amin’ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan’ny tany ngazana:
malagasy
[Ny anaran'ny mpanjaka izay novonoin'ny Zanak'Isiraely] Ary izao no mpanjakan'ny tany izay resin'ny Zanak'Isiraely, ka lasany ny taniny, teny an-dafy atsinanan'i Jordana hatramin'ny lohasahan-driaka Arnona ka hatramin'ny tendrombohitra Hermona sy ny ilany atsinanan'ny tani-hay [Heb. Arabà]