Joshua 12:5 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona, tany Saleka ary tany Basana rehetra hatrany amin’ny sisintanin’ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak’i Gileada, faritanin’i Sihona, mpanjakan’i Hesbona.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny takatry ny fahefany dia ny tendrombohitra Hermôna, Salekà, Basàna rehetra, hatramin’ny faritry ny tanin’ny Gesorima sy ny Makatianina ary ny antsasak’i Galaada, faritanin’i Sehôna mpanjakan’i Hesebona.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny faritra nanjakan’i Hôga dia ireto avy: ny tendrombohitra Hermôna; i Salà, i Basàna manontolo tafapaka hatrany amin’ny sisin-tanin’ny Gesorita sy Mahekatita; ary farany ny antsasaky ny faritrany Gilehada tafapaka hatrany amin’ny sisin-tanin’i Sihôna, mpanjakan’i Hesbôna.
Malagasy Bible 1865
sy nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin'ny fari-tanin'ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak'i Gileada, fari-tanin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona, tany Saleka ary tany Basana rehetra hatrany amin’ny sisintanin’ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak’i Gileada, faritanin’i Sihona, mpanjakan’i Hesbona.
malagasy
sy nanjaka tany an-tendrombohitra Hermona sy tany Saleka ary tany Basana rehetra hatramin'ny fari-tanin'ny Gesorita sy ny Makatita ary ny antsasak'i Gileada, fari-tanin'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona.