Joshua 12:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
I Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, sy ny Zanak’Israely no nandresy ireo; ary nomen’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, ho lovan’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase ny tanin’ireo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
I Môizy mpanompon’i Iaveh sy ny zanak’i Israely no nandresy an’ireo; ary ny Robenita sy ny Gadita, mbamin’ny antsasaky ny fokon’i Manase no nomen’i Môizy mpanompon’i Iaveh ny tanin’izy ireo mba ho fananany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Resin’i Mosesy sy ny Israelita ry i Sihôna sy i Hôga; ka ny taniny dia nomen’i Mosesy, mpanompon’ny TOMPO, ho lovan’ny fokon’i Reobena sy ny fokon’i Gada ary ny antsasa-pokon’i Manase.
Malagasy Bible 1865
Mosesy, mpanompon'i Jehovah, sy ny Zanak'Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, ho lovan'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
I Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, sy ny Zanak’Israely no nandresy ireo; ary nomen’i Mosesy, mpanompon’NY TOMPO, ho lovan’ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase ny tanin’ireo.
malagasy
Mosesy, mpanompon'i Jehovah, sy ny Zanak'Isiraely no nandresy ireo; ary ny taniny nomen'i Mosesy, mpanompon'i Jehovah, ho lovan'ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny firenen'i Manase.