Joshua 12:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary izao no mpanjakan’ny tany izay resin’i Josoa sy ny Zanak’Israely tany andafy andrefan’i Jordana, hatrany Baala-Gada, eo an-dohasahan’i Libanona ka hatramin’ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seìra; koa ny taniny dia nomen’i Josoa ny fokon’ny Israely araka ny fizarany,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ireto kosa ny mpanjaka resin’i Jôsoe sy ny zanak’i Israely atỳ an-dafin’i Jordany, atỳ andrefana, hatramin’i Baala-Gada, amin’ny lohasahan’i Libàna, ka hatramin’ny tendrombohitra mangadihady misondrotra mankany Seira. Nomen’i Jôsoe ny fokon’i Israely, araka ny fianakaviany avy, izany tany izany, ho fananany,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Avy eo i Josoa sy ny Israelita dia nandresy ireo mpanjaka teny an-dafy andrefan’i Jôrdàna, manomboka hatreo Bahala-Gada ao amin’ny lohasahan’i Libano any avaratra ka hatrany amin’ilay tendrombohitra ngazana miakatra ho any Sehira any atsimo. Nozarazarain’i Josoa izany tany izany ho fananan’ireo foko israelita sisa.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no mpanjakan'ny tany izay resin'i Josoa sy ny Zanak'Isiraely tany an-dafy andrefan'i Jordana, hatrany Bala-gada, eo an-dohasahan'i Libanona, ka hatramin'ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seira, ka ny taniny nomen'i Josoa ny firenen'ny Isiraely araka ny fizarany,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary izao no mpanjakan’ny tany izay resin’i Josoa sy ny Zanak’Israely tany andafy andrefan’i Jordana, hatrany Baala-Gada, eo an-dohasahan’i Libanona ka hatramin’ny tendrombohitra mangadihady izay fiakarana ho any Seìra; koa ny taniny dia nomen’i Josoa ny fokon’ny Israely araka ny fizarany,
malagasy