Joshua 12:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
dia ny any amin’ny havoana, any Sefela, any amin’ny tany ngazana, any amin’ny tany an-tsisin’ny tendrombohitra, any an-tany efitra ary any Negeva, dia ny an’ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita:
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
dia ny any amin’ny tendrombohitra, ny any amin’ny tany iva, ny any amin’ny havoana, ny any an’efitra ary ny any amin’i Negeba, izay tanin’ny Heteanina, ny Amôreana, ny Kananeanina, ny Ferezeanina, ny Heveanina, ary ny Jeboseanina.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Isan’izany ny faritra be tendrombohitra, ny lemak’i Sefelà, ny lohasahan’i Jôrdàna, ny kisolosolo, ary ny taniefitra sy i Negeba any atsimo: ireo faritra ireo dia an’ny Hetita sy Amôrita, an’ny Kanahanita sy Perizita, ary an’ny Hivita sy Jebosita.
Malagasy Bible 1865
dia ny any amin'ny tany havoana sy amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka sy amin'ny tani-hay sy amin'ny tany ambodin'ny tendrombohitra sy any an-efitra ary any amin'ny tany atsimo, dia ny an'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita:
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
dia ny any amin’ny havoana, any Sefela, any amin’ny tany ngazana, any amin’ny tany an-tsisin’ny tendrombohitra, any an-tany efitra ary any Negeva, dia ny an’ny Hetita, ny Amorita, ny Kananita, ny Perizita, ny Hivita ary ny Jebosita:
malagasy
dia ny any amin'ny tany havoana sy amin'ny tany lemaka amoron-tsiraka sy amin'ny tani-hay sy amin'ny tany ambodin'ny tendrombohitra sy any an-efitra ary any amin'ny tany atsimo, dia ny an'ny Hetita sy ny Amorita sy ny Kananita sy ny Perizita sy ny Hivita ary ny Jebosita:[Heb. Sefela][Heb. Arabà]