Joshua 13:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Efa zokiolona sady nandroso fahanterana i Josoa ka hoy NY TOMPO taminy: Efa zokiolona ianao ka mandroso fahanterana nefa be dia be ny tany sisa tsy mbola azo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Efa antitra sy efa nandroso fahanterana i Jôsoe: ka hoy i Iaveh taminy: «Ianao ity efa antitra, efa mandroso fahanterana nefa ny tany lehibe dia lehibe no mbola sisa halaina.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Nony efa tena antitra i Josoa, dia nitenenan’ny TOMPO hoe: –Efa tena antitra ianao ity, nefa midadasika tokoa ny faritany sisa tsy mbola azo:
Malagasy Bible 1865
Ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, dia hoy Jehovah taminy: Efa zoki-olona ianao ka mandroso fahanterana, ary be dia be ny tany sisa tsy mbola azo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Efa zokiolona sady nandroso fahanterana i Josoa ka hoy NY TOMPO taminy: Efa zokiolona ianao ka mandroso fahanterana nefa be dia be ny tany sisa tsy mbola azo.
malagasy
[Ny nandidian'Andriamanitra an'i Josoa hizara ny tany ary filazana ny anjara efa nomena ny firenena roa sy sasany] Ary Josoa dia efa zoki-olona sady nandroso fahanterana, dia hoy Jehovah taminy: Efa zoki-olona ianao ka mandroso fahanterana, ary be dia be ny tany sisa tsy mbola azo.