Joshua 13:16 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny faritaniny dia hatrany Aroera izay eo amoron’ny lohasahan-driaka Arnona sy ny tanàna izay eo afovoan’ny lohasaha ary ny tany lemaka rehetra any Medeba,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka izao no faritaniny, hatrany Arôera, eo amoron’ny ranon-driaka Arnôna, sy ny tanàna eo afovoan’ny lohasaha, ny tany lemaka rehetra akaikin’i Medabà,
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny faritaniny dia manomboka eo amin’ny tanàna Harôhera amoron’ny lohasahan-driaka Arnôna sy eo amin’ilay tanàna antenatenan’io lohasaha io, any atsimo, dia mahafaoka ny lembalemba rehetra manodidina an’i Medebà;
Malagasy Bible 1865
Ary ny fari-taniny dia hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan'ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny faritaniny dia hatrany Aroera izay eo amoron’ny lohasahan-driaka Arnona sy ny tanàna izay eo afovoan’ny lohasaha ary ny tany lemaka rehetra any Medeba,
malagasy
Ary ny fari-taniny dia hatrany Aroera, izay eo amoron'ny lohasahan-driaka Arnona, ary ny tanàna izay eo afovoan'ny lohasaha sy ny tany lemaka rehetra any Medeba,