Joshua 13:23 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny sisintanin’ny taranak’i Robena dia ny amoron’i Jordana. Izay no lovan’ny taranak’i Robena araka ny fokony, dia ny tanàna mbamin’ny vohitra miankina aminy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa tonga hatrany Jordany ka hatramin’ny faritaniny ny faritanin’ny tarana-dRobena. Izany no lovan’ny tarana-dRobena sy ny fianakaviany dia ny tanàna aman-jana-bohiny.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Jôrdàna sy ny morontsiraka no sisin-tanin’ny Reobenita, ao andrefana. Ireo tanàn-dehibe voatanisa ireo, miampy ny tanàna kely miankina aminy, no zaratany nolovan’ny Reobenita ho an’ireo tarika ao anatiny.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fari-tanin'ny taranak'i Robena dia ny amoron'i Jordana. Izay no lovan'ny taranak'i Robena araka ny fokony, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny sisintanin’ny taranak’i Robena dia ny amoron’i Jordana. Izay no lovan’ny taranak’i Robena araka ny fokony, dia ny tanàna mbamin’ny vohitra miankina aminy.
malagasy
Ary ny fari-tanin'ny taranak'i Robena dia ny amoron'i Jordana. Izay no lovan'ny taranak'i Robena araka ny fokony, dia ny tanàna sy ny zana-bohiny.