Joshua 13:27 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary tao amin’ny lohasaha, i Bety-Harama, i Bety-Nimra, i Sokota, i Zafona sy ny sisa tamin’ny fanjakan’i Sihona, mpanjakan’i Hesbona, ary ny moron’i Jordana hatramin’ny moron’ny ranomasina Kinereta, any andafy atsinanan’i Jordana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ary eo amin’ny lohasaha, Bety-Harama, Bety-Nemrà, Sokôta sy Safôna, sisa tamin’ny fanjakan’i Sehôna mpanjakan’i Hesebona; ary Jordany sy ny tany momba azy, hatramin’ny tendron’ny ranomasina Kenerata an-dafin’i Jordany any atsinanana.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tany amin’ny lohasahan’i Jôrdàna kosa dia nisy an’i Bety-Harama sy i Bety-Nimrà ary i Sokôta sy i Tsafôna, izany hoe ny sisa amin’ny fanjakan’i Sihôna izay nanjaka tao Hesbôna: tao andafy atsinanan’i Jôrdàna no misy izany faritany izany, ka mipaka hatrany amin’ny farihin’i Genesareta any avaratra.
Malagasy Bible 1865
ary teo amin'ny lohasaha Beti-harama sy Beti-nimra sy Sokota sy Zafona ary ny sisa tamin'ny fanjakan'i Sihona, mpanjakan'i Hesbona, sy ny amoron'i Jordana hatramin'ny amoron'ny Ranomasina Kinereta an-dafy atsinanan'i Jordana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary tao amin’ny lohasaha, i Bety-Harama, i Bety-Nimra, i Sokota, i Zafona sy ny sisa tamin’ny fanjakan’i Sihona, mpanjakan’i Hesbona, ary ny moron’i Jordana hatramin’ny moron’ny ranomasina Kinereta, any andafy atsinanan’i Jordana.
malagasy