Joshua 13:30 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny faritaniny hatrany Mahanaima, dia i Basana manontolo, ny fanjakana rehetra an’i Oga, mpanjakan’i Basana, ary ny tanàna madinik’i Jaìra an’ny mpitoetra an-tranolay izay any Basana, dia tanàna enimpolo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka izao no faritaniny, hatrany Manaima: Basàna rehetra, ny fanjakana rehetra an’i Jaira any Basàna, dia tanàna enimpolo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny faritaniny dia manomboka eo Mahanaîma ao atsimo ary mahafaoka an’i Basàna manontolo, izany hoe ny fanjakana manontolo izay an’i Hôga mpanjaka tao Basàna, mbamin’ny fitambaran’i Havôta-Jaîro, izay tanàna enimpolo tao Basàna;
Malagasy Bible 1865
Ny fari-taniny hatrany Mahanaima, dia Basana rehetra, izay fanjakana rehetra an'i Oga, mpanjakan'i Basana, ary ny tanàna madinika rehetra an'i Jaira, izay any Basana, dia tanàna enim-polo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ny fari-taniny hatrany Mahanaima, dia Basana rehetra, izay fanjakana rehetra an'i Oga, mpanjakan'i Basana, ary ny tanàna madinika rehetra an'i Jaira, izay any Basana, dia tanàna enim-polo.