Joshua 13:31 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny antsasak’i Gileada sy i Astarota ary i Edrehy, tanàna ao amin’ny fanjakan’i Oga any Basana, dia an’ny taranak’i Makira, zanak’i Manase, dia ho an’ny antsasaky ny taranak’i Makira araka ny fokony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny antsasak’i Galaada sy Astarôta ary Adraia, tanàna amin’ny fanjakan’i Oga, any Basàna, dia nomena ny taranak’i Makira zanak’i Manase, dia ny antsasaky ny taranak’i Makira, araka ny fianakaviany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ao anatiny koa ny antsasak’i Gilehada, ary i Hastarôta sy i Edrehỳ renivohitry ny fanjakan’i Hôga mpanjakan’i Basàna. Izany no faritany azon’ny taranak’i Makira zanakalahin’i Manase; azon’ilay antsasaky ny taranak’i Makira izany ho an’ireo tarika ao anatiny.
Malagasy Bible 1865
Ary ny antsasak'i Gileada sy Astarta ary Edrehy, tanàna amin'ny fanjakan'i Oga any Basana, dia an'ny taranak'i Makira, zanak'i Manase, dia ho an'ny antsasaky ny taranak'i Makira araka ny fokony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)

malagasy
Ary ny antsasak'i Gileada sy Astarta ary Edrehy, tanàna amin'ny fanjakan'i Oga any Basana, dia an'ny taranak'i Makira, zanak'i Manase, dia ho an'ny antsasaky ny taranak'i Makira araka ny fokony.