Joshua 13:6 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
ary ny mponina rehetra any amin’ny havoana hatrany Libanona ka hatrany Misrefota-Maima, dia ny Sidoniana rehetra. Izaho no handroaka kanefa zarao amin’ny antsapaka ho lovan’ny Zanak’Israely izy ireny araka izay nandidiako anao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ny mponina rehetra amin’ny tendrombohitra hatrany Libàna ka hatrany amin’ny ranon’i Maserefôta dia ny Sidonianina rehetra: horoahiko eo anoloan’ny zanak’i Israely ireo. Nefa zarao amin’ny filokana ireo tany ireo ho lovan’i Israely, araka ny efa nandidiako izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Anisany koa ny faritra be tendrombohitra eo anelanelan’i Libano sy i Misrefôta-Maina izay Tsidônianina avokoa no monina ao. Izaho no handroaka ireny mponina ireny eo anoloan’ny Israelita; fa ianao kosa no hizara antsapaka ny taniny ho lovan’ny Israelita araka izay efa nandidiako anao.
Malagasy Bible 1865
ary ny mponina rehetra any amin'ny tany havoana hatrany Libanona ka hatrany Misrefota-maima. dia ny Sidoniana rehetra, Izaho no handroaka kanefa zarao amin'ny filokana ho lovan'ny Zanak'Isiraely izy araka izay efa nandidiako anao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
ary ny mponina rehetra any amin’ny havoana hatrany Libanona ka hatrany Misrefota-Maima, dia ny Sidoniana rehetra. Izaho no handroaka kanefa zarao amin’ny antsapaka ho lovan’ny Zanak’Israely izy ireny araka izay nandidiako anao.
malagasy