Joshua 14:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no nolovan’ny Zanak’Israely tao amin’ny tany Kanana izay nampandovain’i Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona, ary ny lohan’ny fokon’ny Zanak’Israely azy.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Izao no noraisin’ny zanak’i Israely ho lova, tany amin’ny tany Kanaana, izay nozarain’i Eleazara mpisorona sy i Jôsoe zanak’i Nona, ary ny loham-pianakaviana amin’ny fokon’i Israely.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ireto no zaratany izay nomena ny Israelita tao amin’ny tany Kanahàna. I Elehazara mpisorona sy i Josoa zanakalahin’i Nona ary ireo filohan-tarika teo amin’ny foko israelita no nizara azy.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no nolovan'ny Zanak'Isiraely teo amin'ny tany Kanana, izay nampandovain'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny loholon'ny firenen'i Zanak'Isiraely;
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no nolovan’ny Zanak’Israely tao amin’ny tany Kanana izay nampandovain’i Eleazara mpisorona sy i Josoa, zanak’i Nona, ary ny lohan’ny fokon’ny Zanak’Israely azy.
malagasy
[Ny nanombohan'i Josoa ny nizarany ny tany: ny anjaran'i Kaleba] Ary izao no nolovan'ny Zanak'Isiraely teo amin'ny tany Kanana, izay nampandovain'i Eleazara mpisorona sy Josoa, zanak'i Nona, ary ny loholon'ny firenen'i Zanak'Isiraely;