Joshua 14:10 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ankehitriny indro, efa namelona ahy NY TOMPO, araka izay nolazainy hatramin’ny dimy amby efapolo taona lasa izay, dia hatramin’ny nilazan’NY TOMPO izany teny izany tamin’i Mosesy no ho mankaty, raha mbola nandehandeha tany an-tany efitra ny Israely; ary ankehitriny indro, efa dimy amby valopolo taona aho izao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa ankehitriny, efa nitahiry ny aiko araka ny voalazany i Iaveh hatramin’ny 45 taona nilazany izany teny izany tamin’i Môizy, fony i Israely nandeha tany an’efitra, ary 85 taona aho izao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Efa 45 taona izao no nanomezan’ny TOMPO izany baiko izany tamin’i Mosesy fony ny Israelita namakivaky ny taniefitra. Hatramin’izay aho mbola novelomin’ny TOMPO araka ny teniny, ka jereo ankehitriny fa efa 85 taona aho izao.
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny indro, efa namelona ahy Jehovah, araka izay nolazainy hatramin'ny dimy amby efa-polo taona lasa izay, dia hatramin'ny nilazan'i Jehovah izany teny izany tamin'i Mosesy no ho mankaty, raha mbola nandehandeha tany an-efitra ny Isiraely; ary ankehitriny, indro, efa dimy amby valo-polo taona aho izao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ankehitriny indro, efa namelona ahy NY TOMPO, araka izay nolazainy hatramin’ny dimy amby efapolo taona lasa izay, dia hatramin’ny nilazan’NY TOMPO izany teny izany tamin’i Mosesy no ho mankaty, raha mbola nandehandeha tany an-tany efitra ny Israely; ary ankehitriny indro, efa dimy amby valopolo taona aho izao.
malagasy