Joshua 14:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Koa ankehitriny, omeo ahy irỳ tendrombohitra irỳ, izay nolazain’NY TOMPO tamin’izany andro izany; fa efa renao tamin’io andro io fa mitoetra ao ny Anakita sady misy tanàna lehibe mimanda ao; angamba homba ahy NY TOMPO, dia haharoaka azy aho, araka izay nolazain’NY TOMPO.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Koa omeo ahy io tendrombohitra voalazan’i Iaveh tamin’izany andro izany io; ny tenanao no nandre tamin’izany andro izany, fa ny Enakima no ao, mbamin’ny tanàna lehibe sy mimanda. Angamba homba ahy i Iaveh ka hahavatra mandroaka azy ireo aho, araka ny tenin’i Iaveh.»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Koa ankehitriny àry, omeo ahy irỳ tendrombohitra irỳ izay efa nampanantenain’ny TOMPO ahy tamin’izany fotoana izany; satria efa henonao tamin’izay fa ao ny Hanakita no mipetraka anaty tanàna lehibe sady misy manda. Raha momba ahy ny TOMPO, dia horoahiko tao ireo, araka izay efa nolazain’Izy TOMPO.
Malagasy Bible 1865
Ary ankehitriny omeo ahy iry tendrombohitra iry, izay nolazain'i Jehovah tamin'izany andro izany; fa efa renao tamin'izany andro izany fa nitoetra teo ny Anakita, sady nisy tanàna lehibe mimanda; angamba homba ahy Jehovah, dia haharoaka azy aho, araka izay nolazain'i Jehovah.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Koa ankehitriny, omeo ahy irỳ tendrombohitra irỳ, izay nolazain’NY TOMPO tamin’izany andro izany; fa efa renao tamin’io andro io fa mitoetra ao ny Anakita sady misy tanàna lehibe mimanda ao; angamba homba ahy NY TOMPO, dia haharoaka azy aho, araka izay nolazain’NY TOMPO.
malagasy