Joshua 14:15 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Kiriata-Arba no anaran’i Hebrona taloha; ilay lehilahy vaventy tamin’ny Anakita izany i Arba izany. Dia nandry ny tany ka tsy nisy ady intsony.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Kariat-Arbe no anaran’i Hebrôna fahiny; i Arbe dia lehilahy goavam-be indrindra tamin’ny Enakima. Ary nitsahatra tamin’ny ady ny tany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Fa ny anaran’i Hebrôna, talohan’ny nahazoan’i Kaleba azy, dia Kiriata-Arbà na hoe tanànan’i Arbà, satria i Arbà no olo-malaza indrindra tamin’ny Hanakita. Dia nitsahatra ny ady ka nandry feizay ny tany.
Malagasy Bible 1865
Ary tanànan'Arba no anaran'i Hebrona taloha; ilay lehilahy vaventy tamin'ny Anakita izany Arba izany. Dia nandry ny tany ka tsy nisy ady intsony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Kiriata-Arba no anaran’i Hebrona taloha; ilay lehilahy vaventy tamin’ny Anakita izany i Arba izany. Dia nandry ny tany ka tsy nisy ady intsony.
malagasy
Ary tanànan'Arba no anaran'i Hebrona taloha; ilay lehilahy vaventy tamin'ny Anakita izany Arba izany. Dia nandry ny tany ka tsy nisy ady intsony.[Na: Kiriat-arba; izahao Jos. xv. 54]