Joshua 14:6 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nankany amin’i Josoa tany Gilgala ny taranak’i Joda; ary i Kaleba, zanak’i Jefone, kenizita, dia niteny taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra, ny amiko sy ny aminao tany Kadesy-Barnea.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nanatona an’i Jôsoe ny taranak’i Jodà tany Galgalà, ary i Kaleba zanak’i Jefone, Kenezeanina, nanao taminy hoe: «Fantatrao izay nolazain’i Iaveh tamin’i Môizy olon’Andriamanitra ny amiko sy ny aminao tany Kadesa-Barne.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Indray andro dia nanatona an’i Josoa tany Gilgala ny olona sasany avy amin’ny fokon’i Joda; isan’ireny i Kaleba zanakalahin’i Jefonè, avy amin’ny tarik’i Kenaza. Dia hoy i Kaleba tamin’i Josoa: –Tsaroanao tsara ny teny izay nolazain’ny TOMPO tamin’i Mosesy lehilahin’Andriamanitra ny momba ahy sy ianao tany Kadesy-Barnea.
Malagasy Bible 1865
Dia nankany amin'i Josoa tany Gilgala ny taranak'i Joda; ary Kaleba, zanak'i Jefone, Kenizita, nanao taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain'i Jehovah tamin'i Mosesy, lehilahin'Andriamanitra, ny amiko sy ianao tany Kadesi-barnea.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nankany amin’i Josoa tany Gilgala ny taranak’i Joda; ary i Kaleba, zanak’i Jefone, kenizita, dia niteny taminy hoe: Fantatrao ny teny izay nolazain’NY TOMPO tamin’i Mosesy, lehilahin’Andriamanitra, ny amiko sy ny aminao tany Kadesy-Barnea.
malagasy