Joshua 14:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Dia nianiana i Mosesy tamin’izany andro izany ka nilaza hoe: Ny tany izay nodiavin’ny tongotrao dia ho lovanao sy ny taranakao tokoa mandrakizay satria tanteraka tamin’ny fanarahana NY TOMPO Andriamanitro ianao.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
ka nianiana i Môizy tamin’izany andro izany, nanao hoe: Ho lovanao sy ny taranakao mandrakizay ny tany izay nohitsahin’ny tongotrao, fa nanaraka an-tsakany sy an-davany an’i Iaveh Andriamanitrao ianao.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Tamin’izay andro izay dia nianianan’i Mosesy aho fa ho anjara roa lova ho ahy sy ny taranako mandrakizay ny tany izay noteteziko, noho izaho nifikitra tanteraka tamin’ny TOMPO Andriamanitro.
Malagasy Bible 1865
Dia nianiana tamin'izany andro izany Mosesy ka nanao hoe: Ny tany izay nodiavin'ny tongotrao dia ho lovanao sy ny taranakao tokoa mandrakizay, satria tanteraka tamin'ny fanarahana an'i Jehovah Andriamanitro ianao.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Dia nianiana i Mosesy tamin’izany andro izany ka nilaza hoe: Ny tany izay nodiavin’ny tongotrao dia ho lovanao sy ny taranakao tokoa mandrakizay satria tanteraka tamin’ny fanarahana NY TOMPO Andriamanitro ianao.
malagasy