Joshua 15:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Izao no anjaran’ny foko taranak’i Joda tamin’ny antsapaka araka ny fianakaviany: Hatrany amin’ny sisintanin’i Edoma, dia ny tany efitra Zina atsimo, izay faran’ny faritany atsimo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny anjara lasan’ny fokon-taranak’i Jodà, araka ny fianakaviany, tamin’ny filokana, dia nitatra hatrany amin’ny faritanin’i Edôma hatrany amin’ny efitra Sina any atsimo any amin’ny farany atsimo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no zaratany azon’ny foko taranak’i Joda tamin’ny antsapaka mba ho an’ireo tarika ao anatiny. Nitatra hatrany amin’ny sisin-tanin’i Edôma izany; ary ny taniefitr’i Tsina, any Negeba, no farany atsimo.
Malagasy Bible 1865
Ary izao no anjaran'ny firenena taranak'i Joda tamin'ny filokana araka ny fokony: hatramin'ny fari-tanin'i Edoma dia ny efitra Zina atsimo, izay faran'ny faritany atsimo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Izao no anjaran’ny foko taranak’i Joda tamin’ny antsapaka araka ny fianakaviany: Hatrany amin’ny sisintanin’i Edoma, dia ny tany efitra Zina atsimo, izay faran’ny faritany atsimo.
malagasy
[Ny anjaran'ny firenen'i Joda] Ary izao no anjaran'ny firenena taranak'i Joda tamin'ny filokana araka ny fokony: hatramin'ny fari-tanin'i Edoma dia ny efitra Zina atsimo, izay faran'ny faritany atsimo.