Joshua 15:12 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary ny sisintany andrefana dia ny moron’ny Ranomasina Lehibe. Izany no sisintany manodidina ny anjaran’ny taranak’i Joda araka ny fianakaviany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny faritry ny tany andrefana dia ny ranomasina lehibe sy ny taniny. Izany no faritry ny tanin’ny taranak’i Jodà, araka ny fianakaviany, amin’ny lafiny rehetra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ny sisin-tany ao andrefana dia ny Ranomasina Mediteranea, izany hoe ny morontsiraka. Izay no faritra manodidina ny zaratany azon’ny taranak’i Joda ho an’ireo tarika ao anatiny.
Malagasy Bible 1865
Ary ny fari-tany andrefana dia ny moron'ny Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany manodidina ny anjaran'ny taranak'i Joda araka ny fokony.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary ny sisintany andrefana dia ny moron’ny Ranomasina Lehibe. Izany no sisintany manodidina ny anjaran’ny taranak’i Joda araka ny fianakaviany.
malagasy
Ary ny fari-tany andrefana dia ny moron'ny Ranomasina Lehibe. Izany no fari-tany manodidina ny anjaran'ny taranak'i Joda araka ny fokony.