Joshua 15:13 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary i Kaleba, zanak’i Jefone, dia nomeny anjara teo amin’ny taranak’i Joda, araka ny didin’NY TOMPO tamin’i Josoa, dia ny Kiriata-Arba na tanànan’i Arba, rain’i Anàka; Hebrona izany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Araka ny didin’i Iaveh tamin’i Jôsoe, nomena anjara teo afovoan’ny taranak’i Jodà i Kaleba zanak’i Jefone, dia ny tanànan’i Arbe, rain’i Enaka, dia i Hebrôna izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
I Kaleba, zanakalahin’i Jefonè, dia nomena ampahany tao amin’ny tanin’ireo taranak’i Joda, araka izay efa nandidian’ny TOMPO an’i Josoa. Nomena azy i Kiriata-Arbà, na hoe tanànan’i Arbà razamben’ny Hanakita; i Kiriata-Arbà no natao hoe Hebrôna tatỳ aoriana.
Malagasy Bible 1865
Ary Kaleba, zanak'i Jefone, dia nomeny anjara teo amin'ny taranak'i Joda, araka ny didin'i Jehovah tamin'i Josoa, dia ny tanànan'i Arba, rain'i Anàka (Hebrona izany).
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary i Kaleba, zanak’i Jefone, dia nomeny anjara teo amin’ny taranak’i Joda, araka ny didin’NY TOMPO tamin’i Josoa, dia ny Kiriata-Arba na tanànan’i Arba, rain’i Anàka; Hebrona izany.
malagasy
Ary Kaleba, zanak'i Jefone, dia nomeny anjara teo amin'ny taranak'i Joda, araka ny didin'i Jehovah tamin'i Josoa, dia ny tanànan'i Arba, rain'i Anàka (Hebrona izany). [Na: Kiriat-arba; izahao Jos. XV. 54]