Joshua 15:18 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Rehefa voampakatra Ravehivavy dia nanesika ny lahy hangataka saha tamin’ny rainy; dia niala tamin’ny borikiny haingana Ravehivavy ka hoy i Kaleba taminy: Inona no ilainao?
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Nony nankany amin’i Otoniela ravehivavy, dia namporisika azy hangataka saha amin-drainy; nidina niala tamin’ny ampondrany izy, ka hoy rainy taminy: «Inona no ilainao?»
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Ary nony tonga teo amin’i Hôtniela razazavavy, dia nampirisika azy mba hangataka saha amin’i Kaleba rainy; avy eo i Haksà dia nidina niala tamin’ny borikiny. Nanontanian’i Kaleba an-drazazavavy kosa ny zavatra ilainy,
Malagasy Bible 1865
Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin'ny borikiny ravehivavy, ka hoy Kaleba taminy: Inona no ilainao?
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Rehefa voampakatra Ravehivavy dia nanesika ny lahy hangataka saha tamin’ny rainy; dia niala tamin’ny borikiny haingana Ravehivavy ka hoy i Kaleba taminy: Inona no ilainao?
malagasy
Ary rehefa voampakatra ravehivavy, dia nanome vava ny lahy hangataka saha tamin-drainy; dia niala faingana tamin'ny borikiny ravehivavy, ka hoy Kaleba taminy: Inona no ilainao?