Joshua 15:19 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ary hoy izy: Omeo fanomezana manokana aho; fa tany tsy misy rano no nomenao ahy ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary izao no navaliny: «Mba omeo fanomezana aho, tany tsy misy rano no namponenanao ahy; ka mba omeo loharano koa aho.» Dia nomeny ny loharano ambony sy ny loharano ambany izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
ka novaliany hoe: –Mba anaovy fanomezana aho! Ary satria ngazana ny tany nomenao ahy, dia mba omeo vovon-drano aho. Dia nomen’i Kaleba azy ny loharano teny ambony sy loharano teny ambany.
Malagasy Bible 1865
Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tsy tany misy rano no efa nomenao ahy, ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ary hoy izy: Omeo fanomezana manokana aho; fa tany tsy misy rano no nomenao ahy ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.
malagasy
Ary hoy izy: Omeo tso-drano aho; fa tsy tany misy rano no efa nomenao ahy, ka mba omeo loharano koa aho. Dia nomeny azy ny loharano ambony sy ny loharano ambany.