Joshua 15:4 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
nandroso hatrany Azmona, nahazo ny lohasahan-driakan’i Ejipta, ary nihatra tamin’ny ranomasina. Izany no ho sisintaninareo atsimo.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
avy eo dia nahazo an’i Asmôna, nitohy hatramin’ny ranon-driakan’i Ejipta, dia nihatra hatrany amin’ny ranomasina ny faritry ny taniny. Izany no ho faritry ny taninareo any atsimo.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia mandalo an’i Hatsimôna, mandroso hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Ejipta, ary mihatra amin’ny Ranomasina Mediteranea. Izay ny amin’ny sisin-tanin’ny fokon’i Joda ao atsimo.
Malagasy Bible 1865
dia nandroso hatrany Azmona ka nahazo ny lohasahan-driak'i Egypta, ary dia nihatra tamin'ny ranomasina; izany no ho fari-taninareo atsimo.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
nandroso hatrany Azmona, nahazo ny lohasahan-driakan’i Ejipta, ary nihatra tamin’ny ranomasina. Izany no ho sisintaninareo atsimo.
malagasy
dia nandroso hatrany Azmona ka nahazo ny lohasahan-driak'i Egypta, ary dia nihatra tamin'ny ranomasina; izany no ho fari-taninareo atsimo.