Joshua 15:7 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
niakatra ho any Debira hatramin’ny lohasaha Akora, nianavaratra manandrify an’i Gilgala tandrifin’ny fiakarana Adomima izay eo atsimon’ny lohasahan-driaka, nandroso hatrany amin’ny ranon’i Eny-Semesy, nihatra tany Eny-Rogela,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
niakatra any Debera, nony mby eo amin’ny lohasaha Akora ny faritry ny tany dia nihodina mianavaratra mankany Galgalà, izay manandrify ny fiakaran’i Adomima, atsimon’ny ranon-driaka, ary ny faritry ny tany nihazo tao akaikin’ny ranon’i En-Semesa, ka nihatra hatrany En-Rôgela.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia mbola miakatra mankany Debira izany sisin-tany izany, ka mandalo ny lohasaha Hakôra, ary mihodina mianavaratra ho any Gilgala, dia ilay Gilgala manoloana ny fiakaran’i Adomima izay eo atsinanan’ny lohasahan-driaka; avy eo mandalo akaikin’ny loharano Haîna-Semesa ary nihatra tany Haîna-Rôgela;
Malagasy Bible 1865
dia niakatra ho any Debira hatramin'ny lohasaha Akora ary nianavaratra manandrify an'i Gilgala tandrifin'ny fiakarana Adomina, izay eo atsimon'ny lohasahan-driaka, dia nandroso hatramin'ny rano Ensemesy ary nihatra tany En-rogela,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
niakatra ho any Debira hatramin’ny lohasaha Akora, nianavaratra manandrify an’i Gilgala tandrifin’ny fiakarana Adomima izay eo atsimon’ny lohasahan-driaka, nandroso hatrany amin’ny ranon’i Eny-Semesy, nihatra tany Eny-Rogela,
malagasy