Joshua 15:8 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
niakatra teo amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma, mankeo anilany atsimon’ny Jebosita na Jerosalema, niakatra hatramin’ny tampon’ny tendrombohitra izay manandrify ny lohasahan’i Hinoma eo andrefany, amin’ny farany avaratry ny lohasahan’ny Refaìta,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ary ny faritry ny tany niakatra eo amin’ny lohasahan’i Ben-Enôma, hatrany amin’ny kisolosolo atsimon’ny Jeboseanina, dia i Jerosalema; avy eo dia nisondrotra ny faritry ny tany hatrany an-tampon’ny tendrombohitra manandrify ny lohasaha Enôma eo andrefany, sy amin’ny faran’ny tany lemaky ny Refaima eo avaratra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
dia miakatra ny lohasahan’i Hinôma, amin’ny ilany atsimo manamorona ilay havoana misy ny Jebosita (dia i Jerosalema izany); dia mitohy miakatra ho any an-tampon’ilay tendrombohitra izay eo andrefan’ny lohasahan’i Hinôma sy eo amin’ny farany avaratry ny lohasahan’ny Refaîta;
Malagasy Bible 1865
dia niakatra teo amin'ny lohasahan'ny taranak'i Hinoma, ho eo anilany atsimon'ny Jebosita (Jerosalema izany), dia niakatra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra, izay manandrify ny lohasahan'i Hinoma eo andrefany, amin'ny farany avaratry ny Lohasahan'ny Refaita,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
niakatra teo amin’ny lohasahan’ny taranak’i Hinoma, mankeo anilany atsimon’ny Jebosita na Jerosalema, niakatra hatramin’ny tampon’ny tendrombohitra izay manandrify ny lohasahan’i Hinoma eo andrefany, amin’ny farany avaratry ny lohasahan’ny Refaìta,
malagasy