Joshua 15:9 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
nizotra hatrany an-tampon’ny tendrombohitra, nihatra tamin’ny loharanon’i Neftoa, nahazo ny tanàna tao an-tendrombohitra Efrona, nizotra hatrany Baala na Kiriata-Jearima,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Avy eo an-tampon’ny tendrombohitra dia nizotra ny faritry ny tany hatrany amin’ny lohan’ny ranon’i Neftoà, nihatra amin’ny tanàna ao an-tendrombohitra Efrôna; nandroso ny faritry ny tany mankany Baala, dia Kariata-Jearima izany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
avy eo mihodina ho any amin’ny loharano Neftôa, mihazo ireo tanàna any an-tendrombohitr’i Hefrôna, vao mihodina ho any Bahala izay antsoina koa hoe Kiriata-Jeharima;
Malagasy Bible 1865
dia nizotra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra ka nihatra tamin'ny loharano Neftoa, dia nahazo ny tanàna tao an-tendrombohitra Efrona, dia nizotra hatrany Bala (Kiriata-jearima izany),
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
nizotra hatrany an-tampon’ny tendrombohitra, nihatra tamin’ny loharanon’i Neftoa, nahazo ny tanàna tao an-tendrombohitra Efrona, nizotra hatrany Baala na Kiriata-Jearima,
malagasy
dia nizotra hatramin'ny tampon'ny tendrombohitra ka nihatra tamin'ny loharano Neftoa, dia nahazo ny tanàna tao an-tendrombohitra Efrona, dia nizotra hatrany Bala (Kiriata-jearima izany),