Joshua 16:1 — Compare Translations
6 translations compared side by side
Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Ny faritry ny tany azon’ny taranak’i Josefa tamin’ny antsapaka dia hatrany Jordana tandrifin’i Jeriko, dia tao amin’ny ranon’i Jeriko atsinanana, hatrany amin’ny tany efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamakivaky ny tany be havoana any Betela,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Ny an’ny taranak’i Josefa araka ny filokana: Ny any atsinanana dia niantomboka avy eo amin’i Jordany ao Jerikô; avy eo dia tonga amin’ny efitra izay miakatra avy any Jerikô hatramin’i Betela mihazo ny tendrombohitra.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no zaratany navoakan’ny antsapaka ho an’ny taranak’i Jôsefa. Ny sisiny atsimo dia manomboka hatreo Jôrdàna akaikin’i Jerikao, eo atsinanan’ny loharanon’ny tanàna. Avy eo Jerikao dia mihazo ilay taniefitra miakatra ho any amin’ny tendrombohitr’i Betela.
Malagasy Bible 1865
Ary ny faritry ny tany azon'ny taranak'i Josefa tamin'ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin'i Jeriko, dia tao amin'ny ranon'i Jeriko atsinanana, ka hatramin'ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan'i Betela,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Ny faritry ny tany azon’ny taranak’i Josefa tamin’ny antsapaka dia hatrany Jordana tandrifin’i Jeriko, dia tao amin’ny ranon’i Jeriko atsinanana, hatrany amin’ny tany efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamakivaky ny tany be havoana any Betela,
malagasy
[Ny zara-tanin'ny taranak'i Josefa]Ary ny faritry ny tany azon'ny taranak'i Josefa tamin'ny filokana dia hatrany Jordana tandrifin'i Jeriko, dia tao amin'ny ranon'i Jeriko atsinanana, ka hatramin'ny efitra izay fiakarana avy any Jeriko, mamaky ny tany havoan'i Betela,