Joshua 16:8 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Avy ao Tapoa, ny sisintany dia miantoraka mankany andrefana hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Kana ka mihatra amin’ny ranomasina. Izany no lovan’ny foko taranak’i Efraima araka ny fianakaviany avy,
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Avy eo Tafohà dia nandroso any amin’ny lafiny andrefana ho any amin’ny ranomasina. Izany no lovan’ny taranak’i Efraima araka ny fianakaviany.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Eo andrefan’i Mikmetata kosa dia mihodina mankany Tapoa, manaraka ny reniranon’i Kanà, ary mipaka amin’ny Ranomasina Mediteranea. Izany no zaratany nomena ireo tarika ao anatin’ny fokon’i Efraîma,
Malagasy Bible 1865
Ary hatrany Tapoa dia niankandrefana ny fari-tany hatramin'ny lohasahan-driak'i Kana, ka dia nihatra tamin'ny ranomasina. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Efraima araka ny fokony,
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Avy ao Tapoa, ny sisintany dia miantoraka mankany andrefana hatrany amin’ny lohasahan-driakan’i Kana ka mihatra amin’ny ranomasina. Izany no lovan’ny foko taranak’i Efraima araka ny fianakaviany avy,
malagasy
Ary hatrany Tapoa dia niankandrefana ny fari-tany hatramin'ny lohasahan-driak'i Kana, ka dia nihatra tamin'ny ranomasina. Izany no lovan'ny firenena taranak'i Efraima araka ny fokony,