Joshua 17:1 — Compare Translations

6 translations compared side by side

Malagasy (Baiboly Protestanta Malagasy 2011)
Nahazo zaratany tamin’ny antsapaka koa ny fokon’i Manase, fa izy no lahimatoan’i Josefa, dia i Makira, lahimatoan’i Manase, rain’i Gileada, fa izy no mpanafika ka nahazo an’i Gileada sy i Basana.
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Mbola nisy zara tany koa ho an’ny fokon’i Manase araka ny filokana noho izy lahimatoan’i Josefa. I Makira lahimatoan’i Manase sy rain’i Galaada dia nahazo an’i Galaada sy i Basana, satria lehilahy mpiantafika izy.
Malagasy 2004 (DIEM PROTESTANTA)
Izao no zaratany navoakan’ny antsapaka ho an’ny fokon’i Manase izay lahimatoan’i Jôsefa. Teny atsinanan’i Jôrdàna, ny tarik’i Makira, lahimatoan’i Manase sady rain’i Gilehada, dia nomena ny faritany Gilehada sy Basàna, satria miaramila mahery fo i Makira.
Malagasy Bible 1865
Ary nahazo zara-tany tamin'ny filokana koa ny firenen'i Manase (fa izy no lahimatoan'i Josefa), dia Makira, lahimatoan'i Manase, rain'i Gileada, fa izy no mpanafika ka nahazo an'i Gileada sy Basana.
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
Nahazo zaratany tamin’ny antsapaka koa ny fokon’i Manase, fa izy no lahimatoan’i Josefa, dia i Makira, lahimatoan’i Manase, rain’i Gileada, fa izy no mpanafika ka nahazo an’i Gileada sy i Basana.
malagasy
Ary nahazo zara-tany tamin'ny filokana koa ny firenen'i Manase (fa izy no lahimatoan'i Josefa), dia Makira, lahimatoan'i Manase, rain'i Gileada, fa izy no mpanafika ka nahazo an'i Gileada sy Basana.